This is really a two-hour presentation I give to high school students, cut down to three minutes. And it all started one day on a plane, on my way to TED, seven years ago. And in the seat next to me was a high school student, a teenager, and she came from a really poor family. And she wanted to make something of her life, and she asked me a simple little question. She said, "What leads to success?" And I felt really badly, because I couldn't give her a good answer.
Inty dia famelabelarana adin’ny roa izay nataoko ho an’ny mpianatra, nofintinina telo minitra eto. Ny tantara dia niantomboka tao anaty fiaramanidina, raha hamonjy ny TED aho, fito taona lasa izay. nipetraka teo ankaikiko, Nisy mpianatra, vehivavy tanora iray, avy amina fianankaviana sahirana. Nanana finiavana ny hampivoatra ny fiainany izy, ary nametraka fanontaniana tsotra dia tsotra tamiko. Hoy izy, « Inona no mitondra ho amin’ny fahombiazana ? ». Tsy azoko ny aiko, satria tsy afaka nanome valiny tsara sy mahafa-po ho azy aho.
So I get off the plane, and I come to TED. And I think, jeez, I'm in the middle of a room of successful people! So why don't I ask them what helped them succeed, and pass it on to kids? So here we are, seven years, 500 interviews later, and I'm going to tell you what really leads to success and makes TEDsters tick.
Koa nivoaka ny fiaramanidina aho ary namonjy ny TED. Tonga saina aho... Odry ! hay marina moa izaho eto anivon'ireoto olona maro izay azo lazaina fa tafita ato amin'ity toerana ity ! Ka maninona moa raha mba manontany azy ireo ny anton'ny nitondra azy ireo tamin'ny fahombiazana, mba ahafahako mampita izany amin'ny ankizy? Indro mifanatrika indray isika, 7 taona aty aoriana izay nahafahako nanatanteraka fanadihadihana miisa 500, ka afahako hilaza amin'izay ireo fepetra tena mitondra ho amin'ny fahombiazana ary mety hampietana anareo mpikambana ao amin'ny TED.
And the first thing is passion. Freeman Thomas says, "I'm driven by my passion." TEDsters do it for love; they don't do it for money.
Ny voalohany amin’izy rehetra dia ny fahafinaretana Hoy Freeman Thomas : “izaho dia natosiky ny fahafinaretana” reo mpikambana ao amin’ny TED dia nanantanteraka ampitiavana, fa tsy noho ny vola tsy akory.
Carol Coletta says, "I would pay someone to do what I do." And the interesting thing is: if you do it for love, the money comes anyway.
Carol Coletta nilaza hoe: “Mandoa vola amin’ny olona aho mba hanantanteraka izay ataoko”. Ary ny tena mahaliana indrindra dia: raha manao zavatra am-pitiavana ianao dia manaraka ho azy ny vola.
Work! Rupert Murdoch said to me, "It's all hard work. Nothing comes easily. But I have a lot of fun." Did he say fun? Rupert? Yes!
Miasà ! Hoy i Rupert Murdoch tamiko, "Fikelezan'aina no tena izy. Tsy misy zavatra mora izany. Nefa tena mahita fahafinaretana ihany koa aho." Fahafinaretana hoy izy ? I Rupert ve no nilaza izany? Eny !
(Laughter)
Sady miasa no mahita fahafinaretana ny mpikambana ao amin'ny TED. Ary tena miasa mafy izy ireo.
TEDsters do have fun working. And they work hard. I figured, they're not workaholics. They're workafrolics.
Azoko ihany tamin'ny farany fa tsy ny asa no mangeja azy ireo, fa ny fahitana fahafinaretana.
(Laughter)
Mahiratra ! Hoy izy i Alex Garden: « Mba hahombiazana dia mifantoha amina zavatra iray
Good!
(Applause)
Alex Garden says, "To be successful, put your nose down in something and get damn good at it." There's no magic; it's practice, practice, practice.
ary ataovy izay hampahiratra anao amin’io sehatra io. » Tsy misy fahagagana; fa fihezahana, fihezahana, fihezahana hatrany. Ary mila mifantoka ihany koa. Hoy i Norman Jewison tamiko:
And it's focus. Norman Jewison said to me, "I think it all has to do with focusing yourself on one thing."
« Amiko ilay izy dia miankina amin’ny fahaizanao mifantoka amina zavatra iray » Ary fikirizana ! Hoy i David Gallo, « Mikiriza ianareo »
And push! David Gallo says, "Push yourself. Physically, mentally, you've got to push, push, push." You've got to push through shyness and self-doubt.
Na ara-batana, na ara-tsaina dia tokony hiezaka sy hikiry hatrany ianareo! Aza menamenatra, tohero koa ny fisalalasalana misy ao aminareo. Goldie Hawn dia niteny hoe: “Izaho dia tsy mba natoky tena firy.
Goldie Hawn says, "I always had self-doubts. I wasn't good enough; I wasn't smart enough. I didn't think I'd make it."
Sady tsy dia nahomby tsara aho no tsy dia natsilo saina tsara. Tsy nihevitra mihitsy aho hoe hahavita inona.”
Now it's not always easy to push yourself, and that's why they invented mothers.
Eny e, tsy moramora ange zany mamporisika ny tena izany e! ! ary izany indrindra no antony mampisy ny reny. LOL
(Laughter)
(Applause) Frank Gehry said to me, "My mother pushed me."
Frank Gehry -- Hoy I Frank Gehry tamiko, “Ny reniko no namporisika ahy.”
(Laughter)
Ny fanampiana ! Hoy i Sherwin Nuland tamiko hoe : « Voninahitra ho ahy ny manampy amin’ny maha dokotera ahy »
Serve! Sherwin Nuland says, "It was a privilege to serve as a doctor."
Mazava ho azy, maro ny ankizy milaza amiko hoe any aoriana any, te hanam-bola be izy ireo.
A lot of kids want to be millionaires. The first thing I say is: "OK, well you can't serve yourself; you've got to serve others something of value. Because that's the way people really get rich."
Ary ny zavatra voalohany avaliko azy ireo dia: « Eny, tsy tokony ny tenanareo aloha no karakarainareo; fa tokony hitondra zavatra manan-danja ho an’ny hafa hanampiana azy aloha ianareo. Toy izany no maha mpanakarena ny olona.»
Ideas! TEDster Bill Gates says, "I had an idea: founding the first micro-computer software company." I'd say it was a pretty good idea. And there's no magic to creativity in coming up with ideas -- it's just doing some very simple things. And I give lots of evidence.
Ny Hevitra ! i Bill Gates izay mpikambana ato amin’ny TED dia nanambara hoe: « manana hevitra aho, ‘ndeha hanorina ny orinasa voalohany mamokatra “logiciel” ho an’ireo solon-tsaina aho ». Afaka milaza aminareo aho fa hevitra tsara tokoa izany. Ary tsy misy fahagagana ny amin’ny fanantaterahana izany, ny fanaovana zavatra tsotra ihany no vaha-olana. Ary efa maro ireo porofo efa voalazako.
Persist! Joe Kraus says, "Persistence is the number one reason for our success." You've got to persist through failure. You've got to persist through crap! Which of course means "Criticism, Rejection, Assholes and Pressure."
Ary farany, manana FAHARETANA ! Hoy i Joe Kraus, « Ny faharetana no antony voalohany iankinanan’ny fahombiazana. » Tsy maintsy manana faharetana isika na dia ao anatin’ny faharesena tanteraka aza. . Tsy maintsy manana faharetana isika na dia tafiditra anaty K.I.Z.O aza izany hoe : voa -Kiana, voa-Ilika, voa-Zimba, Voa-Ory.» LOL
(Laughter)
Koa araka izany, ny valiny lehibe ho an’io fanontaniana io dia tsotra ihany :
So, the answer to this question is simple: Pay 4,000 bucks and come to TED.
Mandoava 4,000 $ (vidim-pidirana) ary tongava aty amin’ i TED.
(Laughter)
Na raha tsy mety izany dia ampiharo ireo zavatra valo ireo -- ary matokisa ahy,
Or failing that, do the eight things -- and trust me, these are the big eight things that lead to success.
ireo zavatra valo ireo no mitondra ho amin’ny fahombiazana.
Thank you TEDsters for all your interviews!
Misaotra ny mpikambana ao amin’ny TED aho ho an’ireo fanadihadihana rehetra natao.
(Applause)