It's a great honor to be here. It's a great honor to be here talking about cities, talking about the future of cities. It's great to be here as a mayor. I really do believe that mayors have the political position to really change people's lives. That's the place to be. And it's great to be here as the mayor of Rio. Rio's a beautiful city, a vibrant place, special place. Actually, you're looking at a guy who has the best job in the world. And I really wanted to share with you a very special moment of my life and the history of the city of Rio.
Voninahitra lehibe ho ahy ny mijoro eto. Voninahitra lehibe ho ahy ny fahazoako miresaka ireo tanan-dehibe, ny miresaka ny hoavin'ireo tanan-dehibe. Voninahitra lehibe ho ahy ny mijoro eto amin'ny maha ben'ny tanana ahy. Inoako tokoa fa ny ben'ny tanana dia manana toerana politika ahafahany manova marina ny fiainan'ny olona. Eto no tokony hijoroana. Ary mahafinaritra ny mijoro eto amin'ny maha ben'ny tananan'ny Rio ahy. Rio dia tanan-dehibe mahafinaritra, toerana feno fiainana, toerana hafa kely Amin'izao fotoana izao ianao dia mijery lehilahy manana ny asa tsara indrindra eran-tany. Androany aho dia hizara aminareo fotoana manan-tantara tamin'ny fiainako ary koa ny tantaran'ny tananan'i Rio.
(Video) Announcer: And now, ladies and gentlemen, the envelope containing the result. Jacques Rogge: I have the honor to announce that the games of the 31st Olympiad are awarded to the city of Rio de Janeiro. (Cheering)
(Video) Mpanolotra: Amin'izao fotoana izao, tompokolahy sy tompokovavy, ny valopy misy ny valiny. Jacques Rogge: Voninahitra ho ahy ny manambara fa ny Lalao Olimpika faha- 31 dia hatao ao amin'ny tanànan'i Rio de Janeiro. (Tehaka mirefodrefotra)
EP: Okay, that's very touching, very emotional, but it was not easy to get there. Actually it was a very hard challenge. We had to beat the European monarchy. This is Juan Carlos, king of Spain. We had to beat the powerful Japanese with all of their technology. We had to beat the most powerful man in the world defending his own city. So it was not easy at all. And actually this last guy here said a phrase a few years ago that I think fits perfectly to the situation of Rio winning the Olympic bid. We really showed that, yes, we can.
EP: Eny, mampihetsi-po tokoa, ary tena manohina, fa tsy mora ny nahatongavana tamin'izany. Eto aho dia milaza fa fanamby lehibe tokoa no nahazoana izany. Nila nandresy ny fanjakan'ny eropeanina. Indro i Juan Carlos, mpanjakan'i Espagne. Tsy maintsy nandresy ny firenena matanjaka japoney sy ireo teknolojiany izahay. Tsy maintsy noresena ihany koa ny lehilahy mahery indrindra eran-tany izay miaro ny tananany Tsy azo lazaina hoe mora izany. Ary ity farany dia nilaza izao fehezan-teny izao taona vitsivitsy lasa izay izay inoako fa mifanentana tsara amin'izao fahazoan'i Rio ny fifidianana ny tanàna handray ny Lalao izao. Nasehonay fa, "Yes, we can" [Eny, Vitatsika]
And really, this is the reason I came here tonight. I came here tonight to tell you that things can be done, that you don't have always to be rich or powerful to get things on the way, that cities are a great challenge. It's a difficult task to deal with cities. But with some original ways of getting things done, with some basic commandments, you can really get cities to be a great, great place to live. I want you all to imagine Rio. You probably think about a city full of energy, a vibrant city full of green. And nobody showed that better than Carlos Saldanha in last year's "Rio."
Ka indro ary ny antony maha eto ahy androany hariva. Tonga eto aho androany hariva hitantara aminareo fa azo atao ny zava-drehetra, tsy ilana akory ny fananana harena na ny hery ahatratrarana ny tanjona, ny filazana fa mila fanamby goavana ny tanan-dehibe. Sarotra ny miasa ho an'ny tanan-dehibe. Fa misy kosa fomba miavaka hanaovan-javatra, miaraka amin'ny fametrahana didy tsotra, afaka tokoa ianareo manova ireny tanan-dehibe ireny ho tanana maha-tamàna. Tiako alainareo sary an-tsaina i Rio. Eritreretinareo angamba fa tanàna mihetsiketsika, tanàna feno fiainana ary maitso. Ary tsy nisy olona afaka nampiseho tsara izany toy i Carlos Saldanha tao amin'ny sary mihetsika mitondra ny lohateny hoe "Rio", tamin'ny taona lasa.
(Music) (Video) Bird: This is incredible. (Music)
(Mozika) (Video) Vorona: Tsy mampino (Mozika)
EP: Okay, some parts of Rio are pretty much like that, but it's not like that everywhere. We're like every big city in the world. We've got lots of people, pollution, cars, concrete, lots of concrete. These pictures I'm showing here, they are some pictures from Madureira. It's like the heart of the suburb in Rio. And I want to use an example of Rio that we're doing in Madureira, in this region, to see what we should think as our first commandment.
EP: Eny, ny ampahany sasan-tsasany amin'ny Rio dia toy izao fa tsy izy rehetra. Izahay dia toy ny tanàna rehetra eran-tany. Maro be ny mponina aty aminay, ny loto, ireo fiarakodia, ireo varafasy. Ireo sary nasehoko taminareo ireo, dia sarin'i Madureira. Hoatran'ny hoe fon'ny zanabohitr'i Rio. Ary eto aho dia hanome ohatra misy eto Rio zavatra hataonay any Madureira, amin'ity faritra ity ahitantsika izay ho tokony ho adidy voalohany ho raisina.
So every time you see a concrete jungle like that, what you've got to do is find open spaces. If you don't have open spaces, you've got to go there and open spaces. So go inside these open spaces and make it that people can get inside and use those spaces. This is going to be the third largest park in Rio by June this year. It's going to be a place where people can meet, where you can put nature. The temperature's going to drop two, three degrees centigrade. So the first commandment I want to leave you tonight is, a city of the future has to be environmentally friendly. Every time you think of a city, you've got to think green. You've got to think green and green.
Isaky ny mahita ala mikitroka vita amin'ny simenitra matevina toy itony, ny tokony atao dia mitady toerana malalaka Raha toa ka tsy misy toerana malalaka dia mila mankany an-toerana manokatra izany. Mankanesa amin'ireny toerana malalaka ary ataovy izay ahafan'ny olona mankany sy mampiasa izany toerana izany. Ho lasa toeram-pilalaovana lehibe indrindra faha-telo eto Rio amin'ny volana Jiona hoavy izao. Ho toerana ahafahan'ny olona mihaona, ho toerana hisy zavaboary. Hiiba roa na telo degre ny mari-pàna Ny didy voalohany tiako hapetraka aminareo androany hariva dia ny hoe, ny tanan-dehibe hoavy dia tokony haha-tamàna eo amin'ny lafin'ny tontolo iainana. Isaky ny mieritreritra tanàn-dehibe ianareo, dia tokony ho zava-maitso ny ao an-tsaina. Mila mieritreritra zava-maitso ary zava-maintso hatrany.
So moving to our second commandment that I wanted to show you. Let's think that cities are made of people, lots of people together. cities are packed with people. So how do you move these people around? When you have 3.5 billion people living in cities -- by 2050, it's going to be 6 billion people. So every time you think about moving these people around, you think about high-capacity transportation. But there is a problem. High-capacity transportation means spending lots and lots of money.
Hiroso amin'ny fanapahan-kevitra faharoa izay tiako haseho aminareo aho. Eritrereto hoe ny tanàn-dehibe dia nohon'ny mponina ao aminy, olona maro an'isa. Ny tanàn-dehibe dia feno olona. Arak'izany, ahoana ny fomba hifaneraseran'ireny olona ireny ? Raha fantatra fa telo faingo dimy lavitr'isa no isan'ny olona miaina an-tanàn-dehibe -- amin'ny taona 2050, dia ho 6 lavitrisa izany. Ka, isaky ny mieritreritra ny fivezivezen'ireo olona ireo ianareo, dia mila fomba fifamoivohizana mahazaka olona maro. Nefa misy olana. Ny fananana ireo fitaovam-pifamoivoizana mahazaka olona maro ireo dia midika fandaniam-bola lehibe.
So what I'm going to show here is something that was already presented in TED by the former mayor of Curitiba who created that, a city in Brazil, Jaime Lerner. And it's something that we're doing, again, lots in Rio. It's the BRT, the Bus Rapid Transit. So you get a bus. It's a simple bus that everybody knows. You transform it inside as a train car. You use separate lanes, dedicated lanes. The contractors, they don't like that. You don't have to dig deep down underground. You can build nice stations. This is actually a station that we're doing in Rio. Again, you don't have to dig deep down underground to make a station like that. This station has the same comfort, the same features as a subway station. A kilometer of this costs a tenth of a subway. So spending much less money and doing it much faster, you can really change the way people move.
Ny ho asehoko anareo eto dia zavatra efa naseho teto amin'ny TED ihany, nasehon'ny ben'ny tanànan'i Curitiba teo aloha izay namorona ity, tanàna iray eto brésil, Jaime Lerner. Io zavatra io ihany no averinay eto Rio. Io no antsoina hoe BRT, na koa "Bus Rapid Transit". Misy Bus any aminareo. Izy ity dia toy ny bus rehetra izay efa fantatry ny olona rehetra. Ny ao anatiny dia ovaina ho kalesin-dalamby. Mampiasa zotra misaraka, zotra izay efa voatokana. Ny mpandraharaha, tsy dia tia loatra azy ity. Tsy dia mila mangady lalina loatra. Afaka manamboatra fiantsonana mahafinaritra. Ity ohatra dia misy toerana fiantsonana izay amboarinay ao Rio. Averiko indray mandeha, tsy dia ilaina ny mangady lalina loatra raha hanao toerana fiantsonana toy itony. Ity fiantsonana ity dia mitovy hatsarana, mitovy zava-bita amin'ny fiantsonana "métro" Iray kilometatra amin'io anefa dia am-pahafolon'ny vidin'ny métro. Tsy dia mandany vola betsaka, kanefa mahavita haingana kokoa, afaka manova marina ny fivezivezen'ny olona.
This is a map of Rio. All the lines, the colored lines you see there, it's our high-capacity transportation network. In this present time today, we only carry 18 percent of our population in high-capacity transportation. With the BRTs we're doing, again, the cheapest and fastest way, we're going to move to 63 percent of the population being carried by high-capacity transportation.
Indro misy sarintanin'i Rio. Ireo làlana rehetra, ny làlana rehetra miloko hitanao eto, dia tamba-jotra fitanterana mahazaka olona maro. Amin'izao fotoana izao, dia mitatitra 18% n'ny mponina misy ao aminay izahay amin'ny alalan'ireo fomba fitanterana mahazaka olona maro ireo Miaraka amin'ny BRT izay ataonay, marihiko eto indray, fa mora vidy sy haingam-pandeha, hisondrotra 63% ny mponina ho tanterina amin'itony fomba fitanterana mahazaka olona maro itony.
So remember what I said: You don't always have to be rich or powerful to get things done. You can find original ways to get things done. So the second commandment I want to leave you tonight is, a city of the future has to deal with mobility and integration of its people.
Tadidio ny teniko teo: Tsy ilaina akory ny manan-karena sy matanjaka ahavitana zavatra. Afaka mahita fomba hafa ianao hanaovan-javatra. Ny didy faharoa homeko anareo androany hariva dia, ny tanànan'ny ampitso dia mila miatrika ny fitanterana ny olona rehetra monina ao aminy.
Moving to the third commandment. And this is the most controversial one. It has to do with the favelas, the slums -- whatever you call it, there are different names all over the world. But the point we want to make here tonight is, favelas are not always a problem. I mean, favelas can sometimes really be a solution, if you deal with them, if you put public policy inside the favelas. Let me just show a map of Rio again. Rio has 6.3 million inhabitants -- More than 20 percent, 1.4 million, live in the favelas. All these red parts are favelas. So you see, they are spread all over the city. This is a typical view of a favela in Rio. You see the contrast between the rich and poor.
Hojerentsika ny didy fahatelo. Izy ity no miteraka ny ady hevitra betsaka indrindra. ary mahakasika ny faritra iva, ireo fokontany mahantra antsoy amin'izay tianareo iantsoana azy, omena anarana isan-karazany izy ireny eran-tany. Fa ny tiana hotsipihina eto androany dia: tsy voatery ho olana ireny faritra iva ireny. Ny tiako ho lazaina dia izao, ny faritra iva ihany koa dia mety ho vaha-olana, raha toa ka karakaraintsika izy ireny, raha toa ka asiana mpitandro ny filaminana amin'ireny faritra iva ireny. Aleo asehoko anareo amin'ny sarintany. Rio dia misy mponina 6,3 tapitrisa-- Maherin'ny 20%, 1,4 tapitrisa, dia miaina amin'izany faritra iva izany. Ireny faritra menamena ireny dia faritra iva avokoa. Raha jerenareo, dia miparitaka manerana ny renivohitra izy ireny. Toy izao ohatra izany faritra iva ao Rio izany raha jerena. Hita miavaka tokoa ny mpanan-karena sy ny mahantra.
So I want to make two points here tonight about favelas. The first one is, you can change from what I call a [vicious] circle to a virtual circle. But what you've got to do to get that is you've got to go inside the favelas, bring in the basic services -- mainly education and health -- with high quality. I'm going to give a fast example here. This was an old building in a favela in Rio -- [unclear favela name] -- that we just transformed into a primary school, with high quality. This is primary assistance in health that we built inside a favela, again, with high quality. We call it a family clinic. So the first point is bring basic services inside the favelas with high quality.
Anio dia zavatra roa no tiako hasongadina mikasika ny faritra iva. Ny voalohany dia ity, afaka ovany avy amin'ny olana tsy misy fetra ho vahaolana tsy manam-petra izy ireny. Mba hatongavana amin'izany kosa dia mila miditra any anatin'ireny faritra iva ireny, mitondra ireo filàna fototra-- indrindra indrindra fa ny fanabeazana, ny fahasalamana -- manara-penitra. Omeko ohatra maimaika ianareo. Ity dia trano avo antitrantitra amin'ny faritra iva iray ao Rio -- [tsy dia mazava ny anaran'ilay toerana] izay novainay ho sekoly ambaratonga fototra, manara-penitra. Ity dia toeram-piandraiketana ara-pahasalamana ifotony izay naorinay tamina faritra iva iray, manara-penitra ihany koa. Toera-pitsaboana hoan'ny fianakaviana no iantsoanay azy. Ny tokony atao voalohany dia ny fitondrana ny filàna fototra amin'ireny faritra iva ireny ary manara-penitra izany.
The second point I want to make about the favelas is, you've got to open spaces in the favela. Bring infrastructure to the favelas, to the slums, wherever you are. Rio has the aim, by 2020, to have all its favelas completely urbanized. Another example, this was completely packed with houses, and then we built this, what we call, a knowledge square. This is a place with high technology where the kids that live in a poor house next to this place can go inside and have access to all technology. We even built a theater there -- 3D movie. And this is the kind of change you can get for that. And by the end of the day you get something better than a TED Prize, which is this great laugh from a kid that lives in the favela. So the third commandment I want to leave here tonight is, a city of the future has to be socially integrated. You cannot deal with a city if it's not socially integrated.
Ny teboka faharoa tiako hapetraka dia izao, mila anokafana sehatra malalaka amin'ireny faritra iva ireny. Manorena fotodrafitrasa any amin'ny faritra iva, any amin'ny fokontany mahantra, n'aiza n'aiza misy anareo. Rio dia manana tanjona tratrarina amin'ny 2020, dia ny mba ho tanàn-dehibe tanteraka ny faritra iva ao aminy. Ohatra iray hafa, ity toerana ity taloha dia feno trano, avy eo izahay nanangana an'ity, izay antsoinay hoe toeran'ny fahalalàna. Toerana misy ny teknolojia farany ny ankizy mipetraka amin'ny trano manodidina ity toerana ity dia miditra ao ary mampiasa ireo teknolojia farany izay misy ao. Nasianay trano fijerena sary mihetsika mihitsy ary tao--ary sary mihetsika 3D. Ary toy izany ny fiovana azonao amin'izany. Ary mandra-pahariva ny andro dia betsaka nohon'ny loka "TED prize" no ho azonao amin'izany, dia ny tsiky feno hafaliana atolotry ny ankizy miaina amin'ireny faritra iva ireny. Ny didy fahatelo apetrako aminareo anio dia: ny tanàn-dehibe ho avy dia tokony hampidirana ny resaka sosialy. Tsy tokony hisy tanàn-dehibe izay tsy manana ny lafiny sosialy mifampiditra aminy.
But moving to our fourth commandment, I really wouldn't be here tonight. Between November and May, Rio's completely packed. We just had last week Carnivale. It was great. It was lots of fun. We have New Year's Eve. There's like two million people on Copacabana Beach. We have problems. We fight floods, tropical rains at this time of the year. You can imagine how people get happy with me watching these kinds of scenes. We have problems with the tropical rains. Almost every year we have these landslides, which are terrible.
Mba ahafahako miampita amin'ny didy faha efatra, Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony ho eto aho androany. Ny vola novambra sy may, dia feno olona i Rio Tamin'ny herin'andro ambony izahay dia tao anatin'ny Carnaval. Nahafinaritra tokoa. Ary tena nampiala voly. Eo koa ny fankalazana ny faran'ny taona. Misy olona miisa 2 tapitrisa eo eny amoron-tsirak'i Copacabana. Misy olana izahay. Miady amin'ny fiakaran'ny rano izahay, ny oram-pahavaratra amin'izao vanim-potoana izao. Azonareo an-tsaina ny hafalian'ny olona manana ahy raha mijery izao zavatra ataoko izao. Manana olana maro izahay nohon'ny oram-pahavaratra. Matetika isan-taona eo ny fihotsahan'ny tany, izay mampidi-doza.
But the reason I could come here is because of that. This was something we did with IBM that's a little bit more than a year old. It's what we call the Operations Center of Rio. And I wanted to show that I can govern my city, using technology, from here, from Long Beach, so I got here last night and I know everything. We're going to speak now to the Operations Center. This is Osorio, he's our secretary of urban affairs. So Osorio, good to be there with you. I've already told the people that we have tropical rain this time of year. So how's the weather in Rio now?
Fa ny antony nahatonga ahy ho tonga eto dia nohon'izany antony izany. Zavatra niarahanay niasa tamin'i IBM herin-taona mahery izay. Izay antsoinay hoe "Foibe Fitantanana" Ary tiako aseho anareo fa voafehiko ny fitantanana ny tanàna, amin'ny fampiasana teknolojia. avy eto Long Beach, tonga teto aho alina de fantatro daholo ny zavatra mitranga. Aleo ho resahan-tsika izao ny momban'ny Foibe Fitantanana. Indro Osorio izy no mpiandraikitra ny raharaha an-drenivohitra any aminay. Osorio, tsara ny miaraka aminao any. Efa nilazako ny olona rehetra fa misy oram-pahavaratra isika amin'izao vanim-potoana izao. Manahoana ny toetr'andro any Rio any amin'izao ?
Osorio: The weather is fine. We have fair weather today. Let me get you our weather satellite radar. You see just a little bit of moisture around the city. Absolutely no problem in the city in terms of weather, today and in the next few days.
Osorio: Tasara ny andro. Mibaliaka ny masoandro androany. Asehoko anareo ny "radar satellite" ny teotr'andro. Somary mando kely fotsiny ny manodidina ny tanàna. Tsy misy olana ara-toetr'andro ny ao an-tanàn-dehibe, anio sy ny andro manaraka.
EP: Okay, how's the traffic? We, at this time of year, get lots of traffic jams. People get mad at the mayor. So how's the traffic tonight?
EP: Tsara izany, ary mahoana kosa ny fifamoivoizan'ny fiara? Amin'ny vanin'andro toy izao izahay dia somary mitohana ny fifamoivoizana. Manontany ny ben'ny tanana ny olona. Manahoana ny fifamoivoizan'ny fiara anio hariva ?
Osario: Well traffic tonight is fine. Let me get you one of our 8,000 buses. A live transmission in downtown Rio for you, Mr. Mayor. You see, the streets are clear. Now it's 11:00 pm in Rio. Nothing of concern in terms of traffic. I'll get to you now the incidents of the day. We had heavy traffic early in the morning and in the rush hour in the afternoon, but nothing of big concern. We are below average in terms of traffic incidents in the city.
Osario: Mizotra tsara ny fifamoivoizana anio hariva. Ndeha ho jerena ny iray amin'ireo bus 8000 Fampitàna mivantana avy ao an-tampon-tanànan'i Rio ho anao Andriamatoa Ben'ny tanana. Hitanareo amin'izao fa malalaka ny làlana. Efa amin'ny 11 alina izao any Rio. Tsy misy olana ny lafin'ny fifamoivoizana. Ho tantaraiko aminareo amin'izay ny zavatra rehetra nitranga androany. Nikatso ny fifamoivoizan'ny fiara tamin'ny maraina teo ny atoandro tamin'ny ora firavana ihany koa, fa tsy dia nisy olana goavana. Izao isika dia efa latsaky ny salan'isa raha ny lozam-pifamoivoizana an-tanàn-dehibe no resahina.
EP: Okay, so you're showing now some public services. These are the cars.
EP: Mazava, asehoy anay kely hoe ny mikasika ireo raharaham-bahoaka. Ireto ireo fiara.
Osorio: Absolutely, Mr. Mayor. Let me get you the fleet of our waste collection trucks. This is live transmission. We have GPS's in all of our trucks. And you can see them working in all parts of the city. Waste collection on time. Public services working well.
Osorio: Izy indrindra, Andriamatoa ben'ny tanàna. Indro asehoko anareo ny toerana fiantsonan'ny fiara mpaka fako. Marihiko fa mivantana isika izao. Misy GPS avokoa ireo fiara rehetra. Ireo hitanareo mandeha ireny manerana ny renivohitra. Maka ny fako rehetra ara-potoana. Mandeha tsara ny raharaham-bahoaka.
EP: Okay, Osorio, thank you very much. It was great to have you here. We're going to move so that I can make a conclusion. (Applause) Okay, so no files, this place, no paperwork, no distance, 24/7 working. So the fourth commandment I want to share with you here tonight is, a city of the future has to use technology to be present. I don't need to be there anymore to know and to administrate the city.
EP: Eny ary, Osorio, misaotra betsaka. Amin-kafaliana lehibe ny fananana anao aty. Handroso isika ahafahana mametraka ny teny famaranana. (tehaka mirefodrefotra) Eny, tsy misy fitahirizana an-taratasy eto ary tsy misy taratasy atao, tsy misy elanelana, miasa andro aman'alina mandritry ny herinandro Ny didy faha efatra hozaraiko aminareo eto androany hariva dia: ny tanàn-dehibe rahampitso dia mila ny fampiasana teknolojia eo anivony. Tsy mila eny an-toerana akory ny fitantanana ny tanàna.
But everything that I said here tonight, or the commandments, are means, are ways, for us to govern cities -- invest in infrastructure, invest in the green, open parks, open spaces, integrate socially, use technology. But at the end of the day, when we talk about cities, we talk about a gathering of people. And we cannot see that as a problem. That is fantastic. If there's 3.5 billion now, it's going to be six billion then it's going to be 10 billion. That is great, that means we're going to have 10 billion minds working together, 10 billion talents together.
Fa ny zavatra rehetra nolazaiko androany, ireo didy voalazako ireo dia fomba samihafa, fitantanana tanàn-dehibe -- mampiasà vola amin'ny fanorenana fotodrafitrasa, mampiasà vola amin'ny tontolo iainana, manokafa kianja filalaovana sy toerana malalaka, ampidiro ny lafiny sosialy, ampiasao ny teknolojia. Fa raha zohina, rehefa miresaka tanan-dehibe isika, dia miresaka fampifandraisana ny olona ary tsy tokony izany no olana. Tena mahafinaritra. Raha misy 3,5 lavitrisa amin'izao, hiakatra 6 lavitrisa izany ary ho tonga 10 lavitrisa. Tsara tokoa izany, satria midika fa 10 lavitrisa ny saina miara miasa, 10 lavitrisa ny talenta mitambatra.
So a city of the future, I really do believe that it's a city that cares about its citizens, integrates socially its citizens. A city of the future is a city that can never let anyone out of this great party, which are cities.
Ny tanàn-dehibe ho avy, dia inoako fa ho tanàna liana amin'ny mponina ao aminy, mampifandray ny lafiny socialy ny mponina ao aminy. Ny tanàn-dehibe hoavy dia tanàna tsy mamela ny olona any ivelan'ny fety lehibe, izay antsoina hoe tanàn-dehibe.
Thank you very much.
Misaotra betsaka.
(Applause)
(Tehaka mirefodrefotra)